Actualités

Mpampianatra mpikaroka eny Ankatso. Tsy hamoaka ny naotin’ny mpianatra raha…


  • Zoma 03 Oktobra 2014

Nanambara ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny SECES omaly fa raha toa ka tsy homen’ny fanjakana ny tambin’ny ora fanampiny amin’ny fampianarana izay ataon’izy ireo dia tsy hamoaka ny naotin’ireo mpianatra tamin’ny fanadinana izay natao farany teo izy ireo.

Nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ity fikambanan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES ity fa tsy tokony handray izao fanapahan-kevitra izao izy ireo saingy tsy maintsy atao izao satria tsy mety mihaino ny fanjakana. Raha ny nambarany hatrany dia efa hatramin’ny taona 2012 sy 2013 no nanao izao hetsika izao izy ireo saingy hatramin’izao dia zara raha mihaino ny fanjakana.  Olombelona tahaka ny  rehetra ihany mantsy, hoy hatrany izy ny mpampianatra ka manana ny manahirana azy  ihany koa noho izany ilaina ny mba  hiotazany ny valin-kasasarana. Tsy hoe izy ireo ihany koa no mila voatsiary fa efa voasoratra ao anaty lalàna ny tokony hisitrahan’izy ireo izany tambin’ny voka-pikarohana izany. Araka izany dia miandry izy ireo fa raha sanatria manao be marenina ny tompon’andraikitra mahefa dia tsy maintsy hiroso amin’ny dingana izay efa nomaniny izy ireo.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT