Manangasanga indray ny fitokonana hoan’ny mpampianatra Fram to Vakinankaratra.Leo tanteraka ny fampanantenana lavareny ataon’ny mpitantana izy ireo rah any nambaran’ny solontenan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety.
Hatramin’izao mantsy dia tsy mbola nahazo ny vola fandrain’izy ireo izy ireo nanomboka ny volana Septembra 2014 lasa teo.Raha ny zava-nitranga dia saika hitokona teo anoloan’ny Dren Vakinankaratra ireo mpampianatra Fram teto Antsirabe ny zoma 16 Janoary lasa teo saingy nohon’ny rivo-doza nandalo dia rava izany.Tahaka izany koa ny avy any Antsirabe faharoa izay manararaotra hatrany ny fahitana mpanao gazety rehefa misy hetsika hilazany ny alahelony ka nitenenan’izy ireo fa: “Tsy afaka mandoa ny volan’izy ireo ara-dalana ve ny fanjakana fa miandry fitokonana foana vao mihetsika?”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.