Azo heverina ho nandamoka ny hetsika fidinana an-dalambe notarihan’ny AFP tamin’ny herinandro lasa teo.
Tsy nampihemotra ny fikasan’ny Aneffa tarihan’ny filohany Eliodo Randrianjafy hanao hetsika anefa izany. Tsy afa-mihemotra amin’ny fitakianay izahay ANEFFA (Association Nationale des Enseignants Fonctionnaires et Fram en Activité), hoy izy, fa hidina an-dalambe mialoha ny fidiran’ny mpianatra ho avy raha tsy mivaly ny hataka. Nambarany fa fitsinjovana ny olana mety nosedrain’ny ankizy mpanala fanadinana no antony nanajanonana ny fitokonana niarahan’ireo mpampianatra fa tsy midika hoe milamina ny raharaha. Hiverina ny fihetsiketsehana mialoha ny fidiran’ny mpianatra raha toa ka tsy mivaly ireo teboka dimy notakiana hatramin’izay. Fampiakarana ho roa hetsy ny fanampiana ny mpampianatra FRAM, ny fandoavana avy hatrany ny karaman’ireo mpitsara fanadinana aorian’ny asa, fampitomboana ny isan’ny mpampianatra raisina ho mpiasam-panjakana avo roa heny isan-taona ary ny fandraisana ho mpiasa raikitra ireo mpiasa birao eny anivon’ny Cisco sy ny Dren manerana ny nosy no fitakiana mipetraka. Tsy hamela ny taom-pianarana hanomboka ny fitokonan’ireo mpampianatra ireo ary hitarika taona fotsy, hoy ny nambarany. Efa nandefitra izahay fa tsy miasa loha amin’ny famaliana ny fitakiana hatreto ny mpitondra fanjakana. Ambaranay izany fa tsy andraikitry ny ANEFFA intsony raha mbola misy olana io taom-pianarana manaraka io ka tokony handray fanapahan-kevitra ny fanjakana sy handinika akaiky ny olan’ny mpanabe mba tsy hifanomezan-tsiny amin’ny ho avy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.