Actualités

Mpampianatra FRAM any Antsalova Takiana 5 000 Ar vao soniavina ny “contrat” ?


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hotanterahina rahampitso zoma 22 aprily ny fizarana ny fifanarahana arak’asa ireo mpampianatra FRAM noraisaina ho mpiasam-panjakana any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antsalova, Faritra Melaky.

 

Manodidina ny 90 eo no hisitraka an’izany. Mitaraina anefa izy ireo amin’ny fanerena azy ireo handoa vola 5 000 Ariary isan’olona, ary 3 000 Ariary isan’olona ho an’ireo efa mpampianatra am-perinasa rehetra, hoenti-manana ny fandraisana ireo olona mamita iraka hitondra ireo “contrat” ireo any an-toerana. Tonga hatrany amin’ny fandrahonana mantsy ny raharaha, fa izay tsy mandrotsaka dia tsy hosoniavina ny “contrat”-ny. Manontany tena ny mpampianatra FRAM manoloana izany teritery izany, hoe olom-panjakana alefa mamitaka iraka izany anie ka efa iantohan’ny Fanjakana amin’ny fananany “Ordre de mission” ka inona no mbola itakiana vola indray sy terena hamorona ny tsy misy, nefa ny tambinkarama raisin’ny FRAM tsy vitan’izay kely sy bitika fa tsy azo ara-potoana ihany koa ? Ny fari-piadidiam-pampianarana ihany koa ve tsy efa manana tetibola natokana handraisana vahiny toy izany ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT