Actualités

Mpamily Taksibe mamono olona Tsy mahazo miasa intsony


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Tsy mahazo mamily intsony ireo mpamily taksibe namono olona manomboka izao ho famaizana azy ireny sy ho fisorohana ny hafa tsy hanaotao foana intsony. Esorina amin’izy ireny avy hatrany mantsy ny taratasy fahazoan-dalana hahafahany mamily ary tsy azony atao intsony koa ny miasa amin’ny asa fitateram-bahoaka an-tanety.

 

Io no fepetra noraisin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, notarihin’ny minisitra Ramanantsoa Benjamina ny  sabotsy teo niaraka tamin’ny minisitry ny filaminam-bahoaka Anandra Norbert, taorian’ny dinika niarahan’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena.  Tsy mahazo mangataka  “autorisation spéciale”mandritra ny telo volana ihany koa ny kaoperativa misy azy ireo dia ny FIFIABE sy ny SOAMIRA izany izay samy namono olona ny zoma teo. Tsy mahazo miasa mandritra ny folo andro ihany koa izy ireo fa tsy maintsy manatrika fiofanana any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ( ATT)   sady mamadika ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia  ho lasa “biométrique”. Mikasika ity farany manokana dia nambaran’ny tale jeneralin’ny ATT fa tsy misy atahorana  ny mety tsy hisian’ny taksibe  hitatitra ny mpandeha satria hisy ny fandaminana manokana hataon’izy ireo. Ho an’ireo  taksibe hafa hangataka fahazoan-dalana manokana kosa dia tsy maintsy misy ny fiofanana hiarahany amin’ny ATT  mialoha ny fotoana ankoatra ny fitsirihana ny fiarany hiarahana amin’ny bianco mihitsy ialana amin’ny risoriso. Tsy maintsy manaraka ny “cahier de charges” ihany koa izy ireo manomboka izao.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT