Mpamerin-keloka
Tokony hailika, hoy ny croix d’or
Nanazava ny avy eo anivon’ny croix d’or, izay miady amin’ny fidorohana maha domelina sy ho an’ny fitandroana ny zon’olombelona, amin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona izao fa tsy tokony hisy dahalo niova fo izany. Marina fa ankoatry ny ady amin’ny fidorohana mahadomelina, hoy izy, dia miady ho amin’ny fanajana ny zon’olombelona koa izahay kanefa tsy midika izany fa ekenay ny famerenan-keloka. Olona efa avy nandroba sy namono olona ary nanao ny tsy fanao rehetra ity ve, hoy izy, dia avy eo hilaza fa niova fo ny ampitso ? Tsy paikady ve izany ? Hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza lasa resy tsy miady. Tokony hisy hatrany ny sazy sahaza rehefa nanao heloka. Ny mikasika ireo mpameri-keloka kosa dia tokony hailiky ny fiarahamonina amin’izay izy ireny rehefa mbola mamerina ny fanaony. Ohatra tokony halain-tahaka ny dinan’i Betroka satria dia ny fianakavian’ilay mpamerin-keloka mihitsy no manary amin’ny alalan’ny antsoina hoe « Harin-donaka ».
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.