Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.
Tsy rariny ny zava-misy any satria giazan’ireo mpitandro ny filaminana mitondra taratasy efa lany daty avy any amin’ny fitsarana ny lavanilin’ireo mpamboly, hoy izy. Miafina sy misitri-belona mihitsy ny tantsaha noho izany satria manao hazalambo ireo miaramila. Tsy vitan’izay fa raofiny hatramin’ny biby fiompin’ny tantsaha tahaka ny akoho amam-borona rehefa tsy mahita olona ao an-trano izy ireo. Tokony hisy, hoy izy ny fandraisan’andraikitra haingana ataon’ny fitondram-panjakana satria very fanahy mbola velona ireo tantsaha. Tsiahivina fa nanomboka ny talata 15 jolay lasa teo ny taom-piotazana lavanila maitso ho an’ireo faritra mafana ao amin’ny distrikan’i Sambava sy Antalaha. Manodidina ny 3 hetsy Ariary ny kilao amin’izao fanokafana ny taom-piotazana izao ary efa feno mpandraharaha sy mpanangom-bokatra any an-toerana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.