Anisan’ny manana anjara amin’ilay famatsiam-bola 6 miliara dolara avy any amin’ny mpamatsy vola isika, hoy ny minisitry ny fanabeazana fototra, Paul Rabary.
Ho fantatra miandalana eo ihany ny antsipirihany mikasika azy io. Ny azo ambara hatreto dia efa misy mirotsaka amin’ireo vola ireo. Ohatra amin’izany ny mikasika ny fanabeazana any atsimo izay vatsian’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena, toy ny Unicef sy ny PAM ary ny bankin’izao tontolo izao. Tetikasa tafiditra ao ny famatsiana ara-pitaovana ireo sekoly, ny vatsy ho an’ny mpianatra, ny fanovana fandaharam-pianarana ary ny fanofanana mpampianatra. Araka ny fanazavan’ny minisitra dia tombontsoan’ny mpamatsy vola ny hahatonga antsika ho tany mandroso satria te hiara-kiasa amin’ny tany mandroso izy ireo. Raha firenena mahantra hatrany no hitany eto dia tsy afaka hivelatra amin’izay tetikasa tiany hiaraha-miasa amintsika izy ireo, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.