Mifantoka tanteraka amin’ny fahaiza-mitantana ny volam-panjakana ny fanarenana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy izay potiky ny krizy lavareny tao anatin’ny 5 taona maninjitra, araka ny fahitan’ireo mpamatsy vola iraisampirenena azy.
Tsy lavina ny fisian’ny ezaka ara-toekarena hatramin’ny taona 2014 niverenan’ny fitondrana manaraka ny Lalàmpanorenana teto Madagasikara, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Niakatra 3,3% mantsy ny harinkarena faobe raha 2,3% izany ny taona 2013. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa ireo takaitra eo amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika nateraky ny sotasota politika tsy nahafahan ny firenena nisitraka ny fampandrosoana maharitra. Mbola sarotra rahateo ny tontolo politika eto Madagasikara izay mampitarazoka ireo fanavaozana ilaina sy maika. Goavana amin’ireny ny politika momba ny tetibolam-panjakana ahitana ny vola miditra sy ny fandaniana izay tena mahasarotiny ireo mpamatsy vola mahazatra. Voafetra rahateo ny fanampiana ny lafiny fampiasam-bolam-panjakana miaraka amin’ny fandaniana sosialy iadiana amin’ny fahantrana sy ny fanohizana ny fampivoarana tsy miato avy amin’ny Tahirimbola sy ny Banky iraisampirenena. Mitentina 55 tapitrisa dolara hatreto ny tohana tetibola ho an’ny fanjakana Malagasy nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisampirenena izay miandrandra akony tsara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fotodrafitrasa, araka ny fampanantenana nataon’ny minisitry ny Fitantanambola Rakotoarimanana Gervais.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.