Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny tetikasa goavana antsoina hoe SKA na square kilometer area.
Maneran-tany izy io ary miompana amin’ny fanamboarana fijerena kintana na “telescope” faran’izay makadiry eran-tany. Hatao eto amintsika moa ny ampahany amin’io fitaovana io, araka ny fanazavan’ny mpahay kintana, Ratsifaritana Charles, azy ka ny antenina lehibe an’ny orinasa telma izay ao Arivonimamo manana diametatra 32m no hampiasain’ny manampahaizantsika amin’izany. Aorian’ity tetikasa ity dia fantatra fa ny tetika hampakarana ny fari-pahaizan’ny Malagasy tsirairay indray no hataon’ireto mpahay kintana na astronoty ireto vaindohan-draharaha. Hodinihina manokana, hoy ireto mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny mpikaroka Malagasy ho amin’ny fampiroboroboana ny siansa ireto ny fomba hampiakarana ny tahan’ny vehivavy tafita amin’ny fianarana noho ny lehilahy satria araka ny fanazavan’izy ireo dia marani-tsaina noho ny lehilahy ny vehivavy saingy maro amin’izy ireo no terena hanambady aloha loatra ka tsy tafita. Raha feno vehivavy manampahaizana anefa, hoy izy ireo eto, dia ho haingana be koa ny fandrosoan’ny firenena.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.