Tontosa ny sabotsy 17 desambra tao amin’ny trano fanaovam-petin’ny Madvision Andohanatady-Fianarantsoa ny famoahana mpiofana miisa 177 andiany faha-45 « FIVOY » nahavita ny fiofanana momba ny informatika sy zaitra.
Misy amin’ny ireo mpiofana moa no efa hiditra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany, ny sasany kosa hiatrika fizaran’asa ary ny ankamaroany miandry ny fidirana eny amin’ny oniversite. Nambaran’ny Talen’ny Madvision Andrianarivo Hasy fa ilaina ny fifanomezan-tanan’ny rehetra na fanjakana na sehatry tsy miankina amin’ny sehatry ny fampiofanana satria ny rehetra no samy mahazo tombontsoa amin’izany. Nentaniny koa ny rehetra fa ilaina ary tsy azo ialana intsony amin’izao vaninandro izao ny fifehezana ny internet sy ny nomerika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.