Actualités

MOTO SCOOTER, SARETY, POSY Tsy misy mahazo mivezivezy mandritra ny Frankofonia


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina mandritra ny herinandro

 

handraisantsika ny frankofonia, hoy ny prefen’Antananarivo Renivohitra Randriamanjarisoa Norbert. Nosinganiny manokana ireo sarety sy posy  mivoaka amin’ny ora tsy tokony hivoahany, indrindra fa ireo mihazo iny Faritra Anosy sy Anosibe iny. Toraka izany ihany koa ny môtô scooter izay  notsindriany manokana fa tokony hanana laharana  avokoa  ireo mihoatra ny 50 cc  manomboka izao, lalana efa nisy saingy ninian’ny sasany tsy narahina  hatramin’izay. Tanjona ny hanafoanana ny fitohanana be loatra toy ny misy eto an-drenivohitra isan’andro ankoatra ny hanehoana amin’ny vahiny fa mahay mandray vahiny ny mponin’Antananarivo sady manara-dalàna ihany koa, hoy izy. Nitohy tamin’ny fivoriana niarahany tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany omaly folakandro hahafahana mandamina sy mametrapetraka ireo tsara ho fantatra rehetra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT