Nahazo gropy mpihary herinaratra vaovao roa ny renivohitry ny Faritra Melaky.
Hanalefaka ny fiantraikan’ny delestazy ao Morondava ny fahatongavan’ny gropy, delestazy izay efa niaretan’ny vahoaka nandritra ny roa taona. Tsy avy amin’ny olana teknika raha mbola hisy ny fahatapahan-jiro ao Morondava aorian’izao, fa mety avy amin’ny tsy fahampian’ny solika.
ANKASINA
Nitrangana hain-trano omaly tolakandro teny Ankasina. Nifanome tanana ny mponina teny an-toerana namono ny afo. Nalaky tonga ihany koa ny mpamonjy voina an’ny tanànan’Antananarivo avy ao Tsaralalana nifehy ny afo tsy hiitatra.
MVOLA
Mitombo 200 indray ny masoivohon’ny orinasa Telma eto Madagasikara. Mpiara-miasa vaovao afaka mandroso ny tolotra MVola ho an’ny mpanjifa mantsy manomboka izao ireo toby mpaninjara solika samihafa eto amin’ny firenena Malagasy. Voatsinjo manokana amin’izany moa ireo mpiala sasatra manerana ny nosy.
FAKANTSARY
Miditra amin’ny andiany faha-6 ny fifaninanana fakantsary karakarain’ny «Fondation Alliance française». Miompana amin’ny fanatanjahantena ny lohahevitra amin’ity taona 2016 ity. Efa misokatra ny fisoratana anarana izay hifarana amin’ny 13 mey.
PAOSITRA MALAGASY
Hotanterahina amin’ny 20 aprily ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasam-panjakana Paositra Malagasy.
GOVERNEMANTA
Hisesy ny fanatanterahana ny famindram-pahefana amin’ity herinandro ity eny anivon’ireo minisitera samihafa, taorian’ny nitsanganan’ny governemanta Mahafaly Olivier.
SEHATRA
Hiaka-tsehatra hanolotra fampisehoana an-kira ao amin’ny CGM Analakely ny tarika malagasy Kabôsy Spirit ny 30 aprily ho avy izao.
ARIVONIMAMO
Mivoy ny kolontsaina nentin-drazana ny Label Village hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ao Arivonimamo-Itasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.