Zazalahikely vao valo taona monja no tsy hita popoka hatramin’izao izay tsy fantatra na maty na velona, natelin’ny ranomasina, omaly tany Morombe avaratr’i Toliara.
Raha ny vaovao voaray, nandro sy niara-nilalao ranomasina nanao ankisitrika niaraka tamin’ny namany ity ankizy ity no tany dia tsy nipoitra. Teo vao nikoropaka ireo akamany rehefa tsy nahita azy minitra maromaro, ka niantso olona tany an-tanàna, ary natao ny fikarohana, nefa tsy nahitam-bokany izany hatramin’ny 11 ora sy sasany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.