Actualités

Morarano Mahazoarivo Tsy jiolahy no maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 19 Janoary 2016

Taorian’ny nandevenana ny razana ny sabotsy teo izay voalaza fa saika tsy nekena ny nampidirana azy tao amin’ny fasan-drazany etsy Morarano Mahazoarivo izay toeram-ponenan’ny maty sy ny fianakaviany ihany dia nivoaka tamin’ny fahanginana ireo fianakaviany ny faran’ny herinandro teo.

 

 Nambaran’izy ireo fa tsy jiolahy nikoizana izany Itompokolahy Harivony fony fahavelony, ilay raim-pianakaviana 41 taona maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana ny alarobia hariva lasa teo. Hividy labozia no nivoahany ny trano ary tany izy dia tsy niverina intsony, hoy izy ireo. Taorian’izay dia mpitandro ny filaminana telo mirahalahy no tonga nandondona tao an-tranonay sady niantso mafy hoe : “aza misy mihetsika fa mpitandro ny filaminana”!. Niforitra izahay, hoy ny fitantaran’ireo fianakaviany ka tsy nisy nihetsika tokoa ary niditra avy hatrany izy ireo. Ny lehilahy no tena notadiaviny. Nahazo fandrahonana ihany koa ny zaza amam-behivavy. Fotoana fohy taorian’izay dia poa-basy im-balo no renay ary ny fatin’ilay havanay sisa no hitanay. Nentin’ireo mpitandro ny filaminana nanaraka azy kosa ny roalahy izay voalaza fa iraitampo amin’ny maty noho ny filazan’izy ireo fa mpiray tsikombakomba tamin’ny maty. Kepoka tanteraka ny fianakaviana nanoloana izany, indrindra fa ny fandrenesany fa anisan’ireo  jiolahy efa nitsoaka ihany koa i Harivony, antony  nanaovan’ny mpitandro ny filaminana hazalambo azy. Nanamafy moa ireo havany ireo fa tsy gangs Itompokolahy. Tsy mpanolana ihany koa izy sady tsy mpamaky trano  koa miantso ny tokony hijerena akaiky ny mahakasika ny raharaha. Notsiahiviny fa i Bolo tokoa no anaram-bositra napetak’izy ireo tamin’Itompokolahy Harivony fony fahavelony saingy tsy izy ilay gangs tena tadiavin’ny mpitandro ny filaminana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT