Actualités

Moramanga Ville Misy gropy miraondraona mampitaraina ny mponina koa


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Raha nampitaraina ny mponina teny Antanandrano ny tabataban’ireo gropy mpihary herinaratra napetraka teny an-toerana hanampiana ny Jirama

 

, dia tsy lavitr’izany koa ny mitranga ao Moramanga amin’ny gropin’ny banky BOA Moramanga Ville. Ianjadian’ny fahatapahan-jiron’ny Jirama matetika ny kartien’i Moramanga Ville sy Ambohimadera. Manana gropy azy manokana ny banky, mba tsy hampikatso ny asa aman-draharahany sy hanomezany fahafaham-po ireo mpanjifany. Mahatsiaro sahirana anefa ny mponina manodidina ity banky ity amin’ny fotoana andehanan’ny gropy, indrindra raha mifanojo amin’ny fiavin’ny orana amin’ny alina, fa tsy ifandrenesana ny firaondraonany. Tsy ahitan-tory ny firaondraonan’ireo gropy, hoy ny mponina manodidina, voatery miambina ihany koa satria matetika dia ao anatin’izany tabataba izany no manararaotra ny mpangalatra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT