Actualités

Moramanga -Ambatondrazaka Nisokatra omaly ny lalana tapaka


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Nanao rodobe nijery ny lalam-pirenena faha-44 ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka sy ny mpanara-dia azy ary ny depiote Rahasimanana Auréline sy ny ekipany izay niantso iry voalohany mba hijery ifotony ny zava-misy noho ny fahasahiranam-bahoaka misy amin’iny lalam-pirenena iny.

 

  Tonga hatrany Andaingo PK 61 + 300 misy ny tetezana tapaka izy ireo ka nitondra ny “Pont Bailey” amahana ny olana ka omaly  alarobia 21 janoary dia efa azo nampiasaina izany tetezana izany ka hitohy indray, araka izany, ny fampiasan’ny rehetra ny RN 44 izay tapaka nandritra ny andro maromaro izay. Nifanarahan’ny rehetra ihany koa fa hanatanteraka fambolen-kazo manerana an’iny Faritra Alaotra Mangoro iny atao hoe fambolen-kazo faobe amin’ny faha-15 febroary izao mba hitazonana ny nofon-tany tsy hokaohan’ny riaka lava izao ka isian’ny fiantraikany eo amin’ny faharatsian-dalana hatrany ny any an-toerana. Ny depiote Auréline no hiantoka ny zana-kazo hovolena amin’izany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT