Actualités

Mohammed VI Nandao mangingina an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Tena nahoraka tokoa ny fahatongavan’ny mpanjaka marokanina Mohammed VI teto Madagasikara ny sabotsy 19 novambra 2016.

 

Izy rahateo no voalaza ho filoham-panjakana voalohany mpikambana ao amin’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia andiany faha-16 eto amintsika. Voalahatra ho anisan’ireo olobe tokony ho nandray fitenenana nandritra ny kabary fanokafana ny fivorian’ireo lehibem-panjakana ihany koa ny tenany saingy tsy tonga akory teny amin’ny CCI (Centre de Conférence Internationale). Fitsidiham-panjakana amin’ny fomba ofisialy manokana no tena anton-diany teto fa tsy handray anjara amin’ny fivorian’ireo filoham-panjakana, araka ny fanampina fampitam-baovao. Nandao mangingina ny firenena Malagasy ny alin’ny zoma 25 novambra teo moa ny delegasionina marokanina notarihan’ny mpanjaka Mohammed VI.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT