Olona nanodidina ny 60 no indray tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Antsirabe vokatry ny fihinanana mofomamy nivadika ho poizina. Raha ny fantatra dia efa nanomboka ny andron’ny Krisimasy no fahavoazan’ireo olona sasany satria hetsika iray nokarakarain’ny
Krisitianina ny famarotana ireo mofomamy ireo. Raha ny nambaran’ny tao amin’ny hopitaly atsimo Antsirabe dia nahatratra ho 10 aloha ireo tratran’ny aretina ny andron’ny Krisimasy. Voalaza fa marary an-doha be ireo olona ary tafakatra hatrany amin’ny 40° ny hafanany no sady malemilemy no mandoa sy mivalana izay tratry ny fanapoizinana. Nisy mihitsy ireo kilonga madinika no nifanitona tanteraka vokatry ny hafanana be loatra. Nitohy ihany ny fidirana hopitaly hatramin’ny omaly alatsinainy 29 desambra 2014 ka tafakatra 60 izay ireo lasibatra. Nanaitra ny mpitsabo ny fitovian’ny aretina ka rehefa nohadihadiana ireo rehetra narary dia fantatra fa iray fiangonana ary samy najifa ireo mofomamy.nisy ihany nefa ireo kristianina sasany samy nihinana ihany saingy tsy narary. Nambaran’ny mpitsabo moa fa tena natanjaka be ilay mikraoba namely ireto olona ireto ka tsy fantatra na ny menaka na ilay akora fandravahana ilay mofomamy no nahatonga ny fanapoizinana. Hatreto aloha dia tsy nisy ny maty tamin’ity fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny mofomamy ity fa voavonjy avokoa ireo olona rehetra ary mbola misy ny manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Atsimo amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.