Actualités

Mivoaka ny lamba maloton’ny fitsarana Inona indray no hambaran’ny SMM ?


  • Zoma 22 Janoary 2016

Mbola manan-kolazaina ihany ve ny sendikan’ny mpitsara amin’izao tranga misy amin’ny fanenjehana ny mpanao gazety izao ?

 

Tsy hisy mpanao gazety sasatry ny miaina ka hanangan’ady amin’ny mpitsara izay fantany tsara fa afaka hampiditra azy am-ponja ihany koa fa ny zava-marina dia marina hatrany. Nisy fotoana teto Madagasikara azo nanatotofana ny marina saingy misy farany avokoa ny zava-drehetra ka dia izao tonga amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja mpitsara ambony izao i Madagasikara. Iza tokoa moa no nihevitra fa mety hitranga eto ny toy izany ? Mahakasika ilay mpitsara iray izay mety hosamborin’ny polisy dia mpitsara efa niakatra hazo meloka tetsy Anosy koa izy io rehefa nanao fahadisoana tamin’ny asa maha mpitsara azy tany Toamasina tamin’ny taona 2002. Voasazy izy ary efa nesorina tsy ho mpitsara intsony no tafaverina indray tamin’ny andron’ny Tetezamita. Voatendry hitana andraikitra lehibe tany amin’ny faritany indray izy avy eo ka tamin’izany no nahafahany niaro ireo olona niray petsapetsa tamin’ity “avocat général” efa voasambotra ity. Izany no manaporofo fa fantatry ny olona ny lamba maloton’ny tontolon’ny fitsarana fa mety mahay mifampiaro angamba ny samy mpitsara ka tsy nisy afaka nanenjika azy ireo raha tsy izao fifanoherana amin’ny mpitandro ny filaminana izao.

 

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT