Actualités

Miverina indray ny delestazy Manomboka tezitra vahoaka…


  • Talata 09 Jolay 2019

Velon-tairaina ny ankamaroan’ny mponina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina satria saika isan’andro no hisiana fahatapahan-jiro amin’ny toerana samihafa. Ao anatin’ny fotoana fanarahana ny Lalaon’ny CAN 2019 anefa isika,

 

 

kanefa amin’izany mihitsy matetika no hisiana fahatapahana, ary niseho izany nandritra ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’I RD Congo ny alahady teo, toy ny teny amin’ny toerana sasany teny Antananarivo Atsimondrano. Efa niseho tamina toerana maro tamin’ny lalao teo aloha. Naharaisana fitarainana, ohatra, omaly alina ny teny amin’iny faritra Ivato sy Talamaty iny satria mandeha 5minitra eo dia tapaka 15 minitra, hoy ny olona. Maro ny olona no milaza hoe sao dia efa tafahoatra loatra? Sao dia fihantsiana ka miandry vahoaka ho tezitra sy hitraotra vao tena hisy vahaolana maharitra sy mafonja? Nisy moa ny fampitam-baovao nataon’ny Jirama tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina latsaka fa tapaka ny Jiro an’ny faritra sasany toa an’Ambodimita, Andranomena, Ambohibao, Talamaty, Faralaza, Ambohinambo, Ambatolampy, Antanetibe, Imerinafovoany, Ivato,… olana ara-teknika eo amin'ny tambazotra mitondra herinaratra mahery vaika no nambara fa antony. Toa tsy te hahalala izany ny olona, fa miantso vahaolana maharitra satria ny faktiora mitomboka foana ary tsy mba midina fa toa miha midangana hatrany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT