Actualités

Mitsirika kraoma sy volamena Maka tany any Fandriana indray ny Sinoa


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Miakatra ny feom-bahoaka any amin’ny Kaominina Tsarazaza, Distrikan’i Fandriana taorian’ny namariparitan’ny orinasa sinoa Madagascar Mining Resources Limited SARL ny tany amin’ny Fokontany valo ao an-toerana.

Tamin’ny 3 septambra 2016 no nanaovana izany, ka nitondran’ilay orinasa zandary enin-dahy sy polisy efatra mitam-basy, izay nanaitra ny mponina ny fahitana azy ireo. Hatramin’ny zanaka ampielezan’i Fandriana, mila ravinahitra ao Fianarantsoa no taitra manoloana ity raharaha ity, ka nifamory omaly tao Besorohitra hamaritra paikady fanoherana an’io. Fitsirihana kraoma sy volamena no nangatahan’ilay orinasa, ka nahazoany alalana avy amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany tamin’ny volana aogositra 2016, ary nosoniavin’ny Ben’ny tanànani Tsarazaza, ny lehiben’ny Distrika Fandriana ary ny Prefen’Ambositra. Mandà marindrano ny hidiran’ny Sinoa hitrandraka harena ankibon’ny tany any aminy anefa ny ankamaroan’ny vahoaka any Tsarazaza, noho ny ambaran’izy ireo fa be tany fady ny Fokontany efatra amin’ireo valo efa nofariparitan’ny Sinoa ireo. Tanimbary 40ha ihany koa izao no efa tototry ny atsanga, ka manahy ny hitaran’izany ireo tantsaha vokatry ny fitrandrahana hataon’io orinasa io ; ary amin’izy ireo raha hisy fitrandrahana ihany hatao ao Tsarazaza dia tsy vahiny no homena hanao izany fa ny Malagasy. Nidina nijery ny zava-nisy tany Tsarazaza ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania sy ny Tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Fianarantsoa ny alakamisy 6 oktobra 2016 teo. Nanamarika ny Tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany fa tsy naharay taratasy fangatahana avy amin’io orinasa io. 12 ihany hoy izy ny fahazoan-dalana ara-dalàna hitsirika harena an-kibon’ny tany misy ao anatin’ny Faritra Amoron’i Mania, saingy tsy ao anatin’izany ny an’ity orinasa sinoa tonga ao Tsarazaza ity. Ny 10 amin’ireo 12 aza, araka ny fanazavany hatrany dia mety hosintomina ny fahazoan-dalana eny ampelan-tanany noho ny tsy fanarahana ny bokin’andraikitra. Loharanom-baovao hafa no mitatitra fa hiitatra amin’ny Kaominina telo hafa ao anatin’ny Faritra Amoron’i Mania ny asa fitsirihana hataon’ireto Sinoa ireto, dia ao Tatamalaza sy Miarinavaratra ho an’ny Distrikan’i Fandriana ary Ambatomarina ho an’ny Distrika Manandriana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT