Actualités

Mitombo isan’andro ny olana


  • Alarobia 12 Novambra 2014

Hifarana ihany ity ny taona fa tsy niova ny kabary dia ny hoe : ho avy ny vola. Lazaina fa efa niverina ny famatsiam-bola avy any ivelany, sady ambara ihany anefa fa vao omena ireo mpiara-miasa amintsika ilay drafitra ho fampandrosoana ny firenena.

Mbola andrasana ihany koa ny fivoriana goavana iarahana amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Ekena mihitsy fa tsy mora ny mamerina ny fitokisan’ny mpiara-miasa sy mamerina amin’ny laoniny ny famatsiam-bola, ka noho izany tsy tokony hampanantena tsy misy ihany koa ny mpitondra fanjakana. Iza no tsy mahafantatra izao fa sahirana ara-bola ny fanjakana malagasy ? Resaka teknika izay, fa raha ny tena marina dia miankina betsaka amin’ny lafiny ara-politika ny mampiverina haingana na tsia ny famatsiam-bola. Tsy amin’izao fotoana mbola mampisavorovoro izao mihitsy no hisy mpamatsy vola hampiditra ny volany eto. Ny fampihavanam-pirenena, nanjavona tsy hita popoka, fampitomboana ny gadra politika indray aza no toa nataon’ny fitondrana. Anjakan’ny vola eny amin’ny antenimieram-pirenena ambara fa fahefana mpanao lalàna, tena hita mibaribary fa tsy manan-kevitra hamahana ny olana misy eto ny governemanta. Niova endrika kely fotsiny fa dia mbola misy isan’andro amina faritra maro eto Madagasikara ny delestazy, mandohalika tanteraka ny Jirama, matiantoka isam-bolana, tsy mbola misy ny vahaolana hatreto aloha. Fa mbola nofy ratsy ho an’ny fitondram-panjakana ihany koa ny momba an’Atoa Marc Ravalomanana, filoha teo aloha gadraina any Antsiranana kanefa tsy fantatra mazava akory ny iampangana azy. Tahaka izany koa i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM. Tsy leo olana ary dia mbola mampitombo ny olany hatrany ny mpitondra eto. Toekarena mitotongana, politika misavoritaka, ka inona moa izany fa dia fahantrana vaovao no misy eto e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT