Miharihary eny ihany ny maha zanaky ny tetezamita ny fitondrana mijoro ankehitriny. Be filaza ! Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanana
Ataon’ny mpitondra litania fa ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena no fampihavanam-pirenena. Ny mahagaga anefa dia tsy hita taratra ao amin’ny lalàna hifehy tetibolam-panjakana taona 2015, dinihina eny Tsimbazaza amin’izao fotoana ny amin’izany. Mbola mivangongo aty Antananarivo ny 80%, fa ny 20% no an’ny faritra. Resahina betsaka koa ny hametrahana ny Fitsara avo na «Haute cour de justice», izay efa eny am-pelatanan’ireo depiote ny volavolan-dalàna fananganana azy. Tsy misy tetibola nomanina ho amin’izany fananganana azy izay anefa ao amin’ny lalàna hifehy tetibolam-panjakana taona 2015. Iny niaraha-nahita iny koa ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM, noraisina ambongadiny tsy nasiana masontsivana ny teto an-drenivohitra f’izay no fampanantenan’ny filoha, fa nametrahana fepetra kosa ny tany amin'ny faritra. Tsy resahina intsony ny delestazy 80% any amin'ny faritra fa ny eto an-drenivohitra ora roa raha betsaka ny fahatapahana. Malaza indray moa izao ny fampihavanam-pirenena ary efa am-periny amin’izany ny FFKM, dia io mipoitra io indray ny mpila ranondranony fa ny filoha Rajaonarimampianina no tokony hitarika ny fampihavanam-pirenena. Ny fianakaviambe politikany nitondra azy ho eo amin’ny fitondrana aza anefa tsy voalaminy, be no voailikilika. Izany ve tsy fampiesonana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.