Mito, iray amin’ireo endrika tsy vahiny intsony amin’ireo mpiondana ny mozika rap. Fantatra amin’ilay fanaovana bao tsy mivily sy fomba fijery mahitsy izay taratra anatin’ny tononkirany ny lehilahy.
Ny anatra mafonja sahaza ny rehetra ary ny fanasongadinana ireo olana sedrain’ireo tanora ankehitriny anivom-piarahamonina toy ny fivoaran’ny teknolojia izay toy ny antsy roa lela mety hamelona nefa mety hamono ihany koa ho an’ireo tanora sy ny fiarahamonina ankapobeny. Ireo no vatsy zarain’i Mito mandrakariva ho an’ireo mpanjifa. «Ho an’ny rehetra» vazo vao mangotraka ary efa vita rakitsary iarahany amin’i Donnat. Io no nentiny nanamarika indray ny fiverenany masiaka anatin’ny mozika rap. Tsy nisalasala i Mito nanambara fa dia anjakan’ny “kibay an-kelika” sy ny fifandrafiana loatra ny tontolon’ny rap malagasy ankehitriny izay zary toa lasa fanisatra ho amin’ny fampiroboroboana ity kanto mirakitra fanabeazana ity.
Lalasoa R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.