Actualités

Miteny ny vola !Miteny ny vola !Miteny ny vola !


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Efa afa-kenatra tanteraka mihitsy ve ireo mpanao politika eto amintsika, fa tsy miasa saina firy intsony mivadi-dela sy mamadika palitao. Tonga an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia indro fa nipoitra tampoka ny mpanao politika efa noheverina tsy misy mpanontany intsony, nitety haino aman-jery mihitsy ary niantso mpanao gazety isan’andro. Mandeha ny resaka fa vola be

no tao ambadik’ireny fihetsiketsehana ireny. Nahoraka indray teny amin’ny antenimieram-pirenena fa  ho avy ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Kolo Roger. Efa manodidina ny 90 ny sonia voaangona, izay midika fa izay no vita ny an’ingahy praiminisitra. Tampotampoka teo anefa misy fanambarana indray fa hoe depiote 101 no nanasonia ny fandavana ilay fitsipaham-pitokisana. Mandeha ny feo fa mbola vola ihany koa no tao ambadik’izany. Fa dia tsy misy afa-tsy resa-bola ve izany no atao eto ? Ny mpanao politika sy ny mpitondra no miha matavy sy manankarena, fa ny vahoaka dia reraky ny krizy. Tena misy mihitsy izany ny solombavambahoaka mpamita-bahoaka ary voavidim-bola eto. Ka izay mahatolotolotra ihany no tohanan’izy ireo, fa tsy misy te hahalala izany hoe foto-kevitra na etika politika izany intsony. Ny mpanao lalàna mihitsy izany no manao hadalana eto amintsika, ka aiza moa no hisy zavatra handeha amin’izay laoniny eto e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT