Niteraka adihevitra lehibe ny resaka “pérmis biometrique” eto amintsika, ka dia nanasa vahiny ny fandaharana Teknisianina tao amin’ny Top Radio 102.8 FM omaly, nanazava io resaka “biometrika” io.
Nitondra fanazavana sy ny heviny mahakasika izany Atoa Toavina Manarivo, Injeniera eo amin’ny tontolon’ny informatika, ary efa tale teknika teo anivon’ny minisiteran’ny fifandraisan-davitra. Raha vao maheno io teny “biometrika” io, hoy izy, dia ny resaka “empreinte digitale” na lavotondro no tonga ao an-tsaina voalohany, ary tafiditra ao anatin’io ny karazan-javatra sy ny mombamomba ny tsirairay na “information”, miainga amin’ny zavatra voajanahary misy amin’ny olombelona mampiavaka ny tsirairay, izay azo tehirizina amin’ny alalan’ny nomerika. Ny rantsan-tanana dia mitahiry “empreinte digitale”, ny feo dia mitahiry “empreinte vocale”, ny tarehy dia mitahiry “empreinte faciale,... Voaresaka daholo ireny raha vao miresaka “biometrie”. Manavaka ny rehetra izany hahafahana mamantatra sy mitahiry ny mombamomba ny tsirairay. Misy lalam-piofanana manokana arahina amin’io, ka hay foana ny manavaka miainga amin’ny resaka “empreinte”. Ny pitsopitsony teknika hahafahana milaza fa “biometrika” ny zavatra iray, dia “information biométrique” tehirizina amin’ny nomerika, ny fitahirizana ny “donnée” izay saro-pady, ary misy kaody ampiasaina toy ny “QR” ary mety hisy ny puce RFID (Radio Frequency IDentification) izay azo vakiana avy lavitra, ary misy zavatra afaka mamaky azy. Afaka mitahiry ny mombamomba ny tsirairay, ary tokony hisy ny “lecteur” na fitaovana famakiana azy amin’ny fikirakirana ireny, kanefa tsy dia mbola manana izany firy isika raha ny resaka ara-panjakana. Ilaina ny fampiasana “biometrika” amin’ny resaka fiarovana amin’ny halatra, ny hosoka,… amina dosie, ary maivana kokoa ny fikirakirana azy. Ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia mila izany, ary tokony ho any amin’ny kara-panondro no hanombohana azy. Mikasika ny hoe: “pérmis biométrique”, dia ampahatsorana no hilazana fa hosoka iny, hoy i Toavina Manarivo. Tsy hoe rehefa misy “QR Code” na “hologramme” anefa, dia biometrika. Ny tena zava-dehibe dia ny fahafahana mitahiry ireo “donnée” sy ny “information biométrique”, ary farafaharatsiny ahitana ny iray amin’ireo “empreinte” noresahina tetsy ambony rehefa vakiana amin’ny fitaovana manokana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.