Actualités

Mitango vola sady mampihorohoro Tra-tehaka ireo « inspektera CUA » sandoka


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Saron'ny tompon'andraikitra ao amin’ny Fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra, teo am-panatanterahana asa fisolokiana efa mahazatra azy,


 ireto roa lahy mitonona ho inspektera ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mitety trano sy mitango vola ary mampitahotra ireo olona nanao zavatra tsy ara-dalàna any anaty tanàna any izy roalahy. « Badge » hosoka anefa no ampiasain’izy ireo amin’izany, izay misy fitomboka hosoka sy sonia hosoka mitondra ny anaran'ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) iray teo aloha teto an-drenivohitra. Ny olona moa tsy mamakafaka fa vao mahita ny « badge » eny ambozonan’izy ireo dia raiki-tahotra ka mifampiraharaha avy hatrany, manao kolikoly amin’izy roalahy, nefa izy no tena kendren’ireto farany. Miantso ny rehetra ho malina mandrakariva ny tompon’andriakitra ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa tsy kely lalana ny ratsy.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT