Nivoatra haingana ny toe-draharaha mikasika ilay fakana an-keriny zaza tsy ampy taona roa mianadahy nitranga tao Toamasina,
taorian’ny fahatrarana fiara 4x4 Mitsubishi tao Andranomadio, tao an-tranona mpiasan’ny fitsarana efa misotro ronono ny alahady antoandro teo sy ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Annie io alahady alina io.
Re mantsy izao fa manome fe-potoana 24 ora ny ray aman-drenin’i Arnaud, izay mbola eo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny, amin’ny tsy maintsy handoavana vola 1.500.000 euros antsasaky ny vola notakiana teo aloha sy ny hialan’ireo zandarin’ny GSIS sy ny polisin’ny BC avy eto Antananarivo tonga ao Toamasina manao savahao, ikarohana ireto jiolahy. Raha zohina ity fe-potoana 24ora nomen’ireo mpaka an-keriny ity dia tapitra anio tolakandro, ka tsy hay izay hitranga aorian’izay.
Mazava ihany koa izao fa i Moustapha, Fredo, Tida kely ary Lejao na Rajao ireo olona tafaporitsaka tao Andranomadio, toerana nahitana ilay fiara 4x4, nandritra ny savahao nataon’ny mpitandro ny filaminana ny alahady teo. Nisy dimy ireo voasambotra tamin’io andro io dia ilay ramatoa tompon-trano, izay mpiasan’ny fitsarana misotro ronono, niampy roa lahy taraiky tao ary tovolahy roa mponina manodidina izay heverina fa mahalala vaovao nefa tsy niteny.
Tamin’ny 23 novambra 2015 no nisy naka an-keriny raha iny handeha hamonjy sekoly iny i Arnaud sy Annie. Hita faty ny alahady teo i Annie. Feno habibiana tanteraka ny fomba namonoana an’ity zazavavy kely vao 14 taona ity, satria sady niharan’ny fanolanana no nosorana sy nampisotroana gazoala, ary mbola naolana ny tendany tamin’ny fitsirihana nataon’ireo mpitandro ny filaminana sy ny tonia mpampanoa lalàna azy.
Tena ontsa sy latsa-dranomaso ireo olona naheno ity vaovao ity. Tsy lavitra fa miala 600m misy ny ZES ipetrahan’ny ray aman-dreny mitaiza an’i Annie, ny toerana nanarian’ireo jiolahy mpaka an-keriny azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.