Actualités

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

 

. Nisy lalàna tsy voahaja satria tokony ho nomena ny mpanao famotorana, dia ny polisy na ny zandary ary 48 ora no tokony hitazonana azy ireo olona raha ny lalàna, ary ahazoana alalana avy amin’ny fitsarana ny fitazonana mihoatra izay. Toa endriky ny lonilony sy tsy fifampatokisana eo amin’ny samy mpitandro filaminana ny nandikana ny fepetra ary mifanohitra amin’ny lalàna. Tsy voafehy ireo miaramila matoa tonga tamin’izao ny raharaha. Matoa tsy voafehy ny miaramila dia tsy to teny intsony ny be galona mitazona ny fibaikoana satria mety misy manome ohatra ratsy. Io ilay tarazon'ny 2009 satria nanomboka teo no nisy miaramila tsotra nikomy sy nanda baiko ary nandray vozon’akanjon’ny lehibeny nanaratsy endrika ny foloalindahy. Ankehitriny, tonga dia manapa-kevitra ny miaramila any amin’ny iraka ampanaovina azy any fa tsy manontany ny lehibe intsony, izay endrika fikomiana raha dinihina. Tena ratsy be satria hivadika milisy mitam-piadiana isam-paritra atsy aoriana kely raha mitohy ny toy izao. Olana ny fifampiarovana sy fanarontsaronana ny raharaha rehefa misy mpitandro filaminana voasaringotra amina raharaha, toy ilay fandorana tanàna tany Antsakabary efa 3 taona tsy nisy tohiny satria toa afa-maina ireo polisy manodidina ny 40. Efa ezaka ny fisian’ny zandary 39 no naiditra am-ponja hatramin’ny fiandohan’ny taona, ireo miaramila 34 nidoboka vonjimaika, polisy fonjaina,… fa rehefa tarafina amin’izany isa izany dia toa mifanahantsahana ny jiolahy sy mpitandro filaminana miditra am-ponja. Velon’ahiahy ny vahoaka satria ireo tandroka aron’ny vozona no lasa mamono. Loza mitatao ho an’ny firenena !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT