Actualités

Misy tsy faly ny polisim-pirenena “Olona efa nanimba no tadiavina haverina….”


  • Talata 04 Febroary 2020

Misy fitarainana avy ao anatin’ny polisim-pirenena fa misy olona efa Tale misahana ny maha olona (DRH) teo aloha efa nisy olona roa nisolo azy taoriany no tian’ny tompon’andraikitra ambony vaovao

 

 

 

haveriny eo indray. Efa tena nanimba ny « ressources humaines » tao aminay io olona io, ary betsaka ny nikolay taminy. Ny mahamay azy sy namany dia ny hitantana io fifaninanana hidirana ho polisim-pirenena na (concours) vao vita teo io hatao fakana vola, hoy ny fanomezam-baovao. Tsy mbola voatendry akory izy dia efa midehadehaka miditra mandray andrikitra kanefa ilay DRH hosoloiny aza tsy mbola nofoanana ny didim-panjakana nametraka azy amin’ny toerany na nanesorana azy tsy hitazona ny andraikitra (abrogé/limogé), hoy ny fanehoan-kevitra nisafidy ny tsy hitonona anarana. Andrasana izay hiseho sy ny mety ho fanesorana sy fanendrena handeha, na koa ny mety ho fanazavana eo anatrehan’ity toe-javatra ity. Toerana ifandimbiasana rahateo ny andraikitra ambony tahaka ireny, ka ny tompom-pahefana no manapaka sy mametraka izay tiany hatao eo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT