Actualités

“Miss Madagascar” tratry ny antsojay Manome 5 andro ireo komity mpikarakara


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Niteraka resabe teto amintsika, andro maromaro lasa izay, ny mikasika ireo tovovavy tsara tarehy amam-bika na “Miss Madagascar”

 

 lany nefa tsy afaka misitraka araka ny tokony ho izy ny zony na voailika mihitsy raha izay no azo  ilazana azy. Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo  voakasika  omaly tetsy Antanimena ka mangataka ny hanafoanana ilay komity mpikarakara “Miss Madagascar” ankehitriny io. Tamin’ny ankapobeny, samy nisedra olana tamin’ity komity ity avokoa izy ireo taorian’ny nahavoafidy azy ho “miss” ka anisan’ireny ny fanalan’ny komity ny satro-boninahitra amin’ny maha miss azy sy ny fandrahonana nitohy ny amin’ny hanalan’ny komity  ny samboadin’izy ireo. Tsy lazaina intsony ny olana madinika niainan’izy ireo toy ny tsy fahafahany manao asa hafa raha tsy hiaraha-midinika amin’ny komity… Miantso fifampiresahana amin’ny komity Miss-Madagascar ankehitriny izy dimy mirahavavy lany Miss ireto sady mangataka ny hisian’ny Miss tranainy ao anatin’ny komity ihany koa  ho fanajana ny zon’izy ireo. Dimy andro no omeny ity komity mpikarakara azy ireo ankehitriny ity mba hamaliana ny hetahetany. Raha sanatria tsy tanteraka dia fantatra fa hiakatra amin’ny dingana ambonimbony kokoa izy dimy mirahavavy ireto.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT