Manomboka mihamaro ireo olona mitady hisora-panambadiana in-droa eto amintsika amin’izao nefa tsy vita “divorce” na fisarahana ara-dalàna tamin’ny vadiny voalohany akory.
Kaominina iray teto amin’ny Faritra Analamanga no nitrangan’izany tapa-bolana lasa izay. Lehilahy iray efa nandao ny vady aman-janany nandritra ny taona maro no nipoitra tampoka ary nikasa hampakatra vehivavy iray hafa. Efa niteraka efatra io lehilahy io raha ny loharanom-baovao azo ary vita soratra ara-dalàna tamin’ilay vadiny voalohany. Tsy nipetra-potsiny anefa ity farany fa niezaka ny nanara-maso io vadiny io ka teny amin’ny kaominina no nanenjehany azy nandritra ny fotoana saika hanatanterahana ilay fisoratam-panambadiana. Nentiny niaraka taminy ireo zaza efatra naterany ka niseho ny marina. Nanda ny fanoratana ireo mpivady ilay Ramatoa tena tompony nandritra ny fotoana nametrahan’ny tompon’andraikitra fanontaniana tamin’ireo mpanotrona ka rava maina ny raharaha. Raha ny fanadihadiana natao dia tokony homarihina hatrany ao anatin’ny kopia mari-pahaterahan’ny olona iray ny fanamarinana na efa nisora-panambadiana izy na tsia. Ny kaominina nanaovany ilay fisoratana no mandefa izany any amin’ilay kaominina nahaterahany amin’ny alalan’ny paositra. Somary elaela anefa ny fahatongavan’ny taratasy amin’ny ankapobeny, indrindra raha lavitra ny toerana nahaterahan’ilay olona, antony mahavoafitaka ireo tompon’andraikitry ny kaominina sasany. Mampigadra hatrany amin’ny dimy taona mahery ny fanaovana fisoratam-panambadiana in-droa, indrindra ho an’ireo tsy mbola vita fisarahana ara-dalàna ka tokony hitandrina ny tsirairay. Raha mahavita divorsa ara-dalàna kosa rehefa misaraka amin’ny olona iray dia azony atao ny misora-panambadiana hatrany na dia im-polo aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.