Nodimandry omaly alakamisy 8 desambra hariva ilay kintan’ny sarimihetsika Malagasy Gerard Razafindrakoto, fantatry ny rehetra tamin’ny anarana Randrenja, tao amin’ilay sarimihetsika mitohy “ malok’ila”.
Tamin’ny taona 2008 no niantombohany tamin’ny sehatry ny sarimihetsika novokarin’ny trano mpamokatra scoop digital nitondra ny lohateny hoe “Andrebabe”. Herintaona taorian’io no nisongadina ny fahaizan’ity mpanan-talenta ity. Ny septambra 2011 ny tenany dia nanapa-kevitra ny hanangana trano famokarana an’ny tenany manokana ary dia tafatsangana ny Horizon Production. Mpanoratra ary efa nanatontosa sarimihetsika maromaro ny tenany tao amin’ireo trano famokarana nolalovany. Azo lazaina fa andrarezina amin’ny sarimihetsika Malagasy ny tenany. Mirary fiononana ho an’ny fianakaviana ny eto amin’ny gazety tia tanindrazana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.