Actualités

Misaona ny tontolon’ny sariitatra Maty novonoin’ny mpanendaka Ramika


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Maty nisy namono tamin’ny zoma alina Ratovoherinirina Michel na Ramika, fantatry ny maro amin’ny maha mpanao sariitatra azy amin’ny gazety maro toy ny Taratra, La Gagette de la Grande Iles, L’observateur …

 

Raha ny fantatra dia dian’antsy 3 no hita tamin’ny vatany. Mpikambana tao amin’ny Ambatonamelankafatra, soimanga, Tantsary, Vohitsera, Havatse Upem, Omda, tahala Rarihasina izy ary mpampianatra tao amin’ny Lyceé Prive IFR sy FJKM Rasalama Manjakaray. Hiala ao an-tranony ao Tsaramasay amin’ny 9ora maraina ny razana anio alatsinainy 26 oktobra. Hoentina ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Hiala ao amin’ny 1ora30 tolakandro, hatao veloma farany ao amin’ny Ekar Fo Masin’i Jesoa tsaramasay mialoha ny hametrahana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohipanja. Mbola manaporofo indray ny firongatry ny asan-jiolahy izay efa tsy mifidy asiana intsony fa mamango izay rehetra mifanena aminy ity tranga mampalahelo iray ity;loza mitatao ho an’ireo rehetra miasa alina na hariva fodiana ihany koa satria efa tsy eny an’elakelan-trano ihany no feno jiolahy fa na eny an’arabe migodana aza.vao miha manome vahana azy ireo moa ny fahamaizinan’ny faritra maro noho ny tsy firehetan’ny ankamaroan’ireo andrin-jiro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT