Actualités

Misahotaka ny fitsarana sy fanjakana Hosamborina indray i Haja Kidnapping…


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Raha tsy misy ny fiovana, dia hisy rahampitso fanapahan-kevitra lehibe horaisina manoloana ny raharaha famotsorana an’i Manantena Hajanirina Dina,

 

 

 

 ilay lehilahy voarohirohy noho ny fakana an-keriny teratany, karana navotsotry ny fitsarana ambony tany Toamasina. Raha hiverenana kely ny tantara, efa voarohirohy ho naka an-keriny ny karana antsoina hoe Shane Kourjee izy ny taona 2016, saingy nahazo fahafahana. Mbola voasambotra tao Antsirabe indray izy ny volana desambra 2018 teo noho ny raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis tany Toamasina 21 novambra 2018. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin’ny Fitsarana tao Toamasina indray ny tenany. Didy tsy azo hivalozana no nivoaka tamin’io, ka naman’ny afaka izany izy, raha io no halalinina. Raha ny fanazavana ara-pitsarana tsotsotra, nambara fa ara-dalàna ny famotsorana satria tsy tratra ambodiomby ity olona voarohirohy ity, ka izay nahazo fahafahana vonjimaika ny alatsinainy 25 martsa lasa teo. Naato tamin’ny asany anefa 3 andro taorian’izay ireo mpitsara miisa 4 nanome fahafahana vonjimaika azy. Nidina ifotony tany Toamasina ny minisitry ny fitsarana tamin’iny herinandro nivalona iny, ka andrasana izay hiseho. Hampikorontana ny fitsarana sy ny fanjakana ity raharaha ity. Voizina ny hoe fanjakana tan-dalàna saingy io ny zava-miseho. Matoa nisy ny fandraisana fanapahan-kevitra nampiato ireo mpitsara dia mety ahiana ho tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny didy navoaka nanome fahafahana vonjimaika. Nisy kolikoly avo lenta ve tao ka namotsorana ity olona voarohirohy ity ? Sa kosa ny mpitsara mihitsy no efa miray tendro amin’ny mpanao “kidnapping” ? Asa aloha izay hiafaran’ireo mpitsara na hoesorina amin’ny toerany na hisy sazy hafa hahazo azy ireo na ho afa-bela ao anatin’ny raharaha. Raha toa ka misy ny sazy ho azy ireo, dia midika fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny didy. Hiverenana hosamborina ary ve i Manantena Hajanirina Dina sa ahoana ? Tsara ny manamarika fa kandida depiote lisitra faharoa any Ifanadiana izy, izay ahiana ho nisy ny sonia hosoka tamin’ny anarany satria mbola notazonina tany am-ponja izy tamin’ny fikarakarana dosie, izay misy amin’ireo 14 no tsy maintsy mila fanamarinan’ny tompony. Lisitra tsy miankina no irotsahany, fa raha ny nahafantarana azy, dia tao anatin’ny MAPAR. Raha ny fikaroham-baovao aza, dia toa manana rohim-pihavanana amina minisitra teo aloha. Asa aloha izay ho tohin’ity raharaha ity izay hahafahan’ny rehetra mandinika tsara hoe tena misy tokoa ve ny tany tan-dalàna eto ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT