Actualités

Mirongatra ny tsy fahandriampalemana Manomana paikady vaovao ny EMMO-NAT


  • Talata 03 Febroary 2015

Manoloana ny tsy fandriampahalemana izay nirongatra tato ho ato dia hisy ny tetika maty paika hataon’ny Emmo-nat. Nilaza ny minisitry ny foloalindahy ny Jly Rakotozafy Dominique fa tsy handefitra amin’ny hetsika fikotrehana fanakorontanana izay kasain’ny sasany atao

 

. Efa misy ny fepetra manokana horaisina ny amin’izany, ary tsy hitsitsy izy ireo raha ny voalaza hatrany. Nampitandrina ireo mpitandro ny filaminana izay mihoa-pefy sy tafiditra amin’ny trangana kolikoly ihany koa ny tenany. Tsy azo ekena intsony, hoy izy, ny fahalovana izay mampalaza ny tafika. Henjana ny sazy ho azon’ireo izay tratra manao izany. Nampatsiahy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny tafika ity fa  tokony ho modely ary hiasa ho an’ny tanindrazana ny foloalindahy. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonana nataon’ny  minisitra tamin’ireo lehiben’ny fibaikona sy fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao teny Fiadanana ny faran’ny herinandro lasa teo.  

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT