Manoloana ny tsy fandriampahalemana izay nirongatra tato ho ato dia hisy ny tetika maty paika hataon’ny Emmo-nat. Nilaza ny minisitry ny foloalindahy ny Jly Rakotozafy Dominique fa tsy handefitra amin’ny
hetsika fikotrehana fanakorontanana izay kasain’ny sasany atao. Efa misy ny fepetra manokana horaisina ny amin’izany, ary tsy hitsitsy izy ireo raha ny voalaza hatrany. Nampitandrina ireo mpitandro ny filaminana izay mihoa-pefy sy tafiditra amin’ny trangana kolikoly ihany koa ny tenany. Tsy azo ekena intsony, hoy izy, ny fahalovana izay mampalaza ny tafika. Henjana ny sazy ho azon’ireo izay tratra manao izany. Nampatsiahy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny tafika ity fa tokony ho modely ary hiasa ho an’ny tanindrazana ny foloalindahy. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonana nataon’ny minisitra tamin’ireo lehiben’ny fibaikona sy fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao teny Fiadanana ny faran’ny herinandro lasa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.