Mitohy ny fahatrarana ireo mpanao trafikana sokatra na vao ny 25 oktobra teo aza no nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka ireo nahatrarana sokatra 10 196 tao Betsinjaka Toliara tamin'ny 9 aprily.
Nohelohina higadra 6 taona sy handoa lamandy 100 tapitrisa ariary ireo tompon’antoka. Mbola saron’ny mpiasan’ny ala ao amin’ny alan’i Betioky sy ny zandarimaria indray ny mpanao trafika hafa. Rehefa nisy mantsy ny loharanom-baovao azon’ny manampahefana, dia sarona ny alarobia 24 oktobra tao Ambaliandro, fokontany Ihotry, Kaominina Tongobory, Distrikan'i Betioky Atsimo ny sokatra 7 347 saika haondrana. Ny 32 tamin’ireo no maty noho ny toerana tsizarizary nametrahana azy, izay efa 4 volana no nanangonana azy tao amin’ilay toerana rehefa nalaina tany Androy, manelanelana an’i Toliara sy Tolagnaro. Olona 3 moa no voasambotra tamin’io raharaha io, izay lehilahy roa ary vehivavy iray. Nisy ihany koa ny fitoerana manokana hita niaraka tamin’ireo sokatra, izay efa nahitana kaody samihafa midika ho efa avy nanondranana ny sasany, izany hoe efa fanaon’ireo olon-dratsy ilay izy. Tato anatin’ny taona 2018 dia tena nirongatra be ny trafikana sokatra izay manodidina ny 19 000 no efa sarona. Ny 23 novambra izao no hatao any Toliara ny fikaonan-doha nasionaly hiadivana amin’ny fanondranana sokatra, izay andraisan’ny mpiaro ny tontolo iainana, ny sampandraharahan’ny rano sy ny ala, ny tribonaly, ny bianco, ny faritra Atsimo Andrefana, ny mpitandro ny filaminana ary ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zava-boary na ny WWF anjara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.