Actualités

Mirongatra ny trafika Volamena,vatosoa,sokatra


  • Alarobia 23 Martsa 2016

Na dia eo aza ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra sy ny minisitra maro dia mbola mitohy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena eto amintsika.

 

 Ny hazo sarobidy, vatosoa, volamena, sokatra tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara amin’ny ankapobeny no tena be mpanondrana. Ny mahagaga dia matetika efa any ivelany vao tratra izy ireo. Tsaroana tamin’ny fitondrana tetezamita, ohatra, ny boaderozy tratra tany Kaomoro, Maorisy. Taty aoriana, nisy ny tratra tany Singapour, Hong kong. Ny volamena dia efa nisy ihany koa ny tratra tatsy amin’ny nosy La Réunion. Ny sokatra dia efa nisy tratra tany Paris-Frantsa ary vao tamin’ity herinandro ity dia sokatra 146 indray no tratra tany Mumbai-Inde. Raha tratra tamina zotram-piaramanidina ireo entana navoaka an-tsokosoko dia mazava fa gaboraraka izany ny fanaraha-maso amin’ny seranam-piaramanidina eto amintsika, tahaka izany koa raha teny amin’ny seranatsambo. Tsy ferana ihany koa anefa ny hoe nentina tamina sambo tsy niainga teo amin’ny seranana ilay entana. Iaraha-mahalala fa tsy mbola voafehintsika ny fanaraha-maso ny morontsiraka 5 000 km manodidina an’i Madagasikara. Fa ny azo antoka koa dia mandeha ny afera eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo satria miteny ny vola ka na efa tratra amin’ny fisavana izao aza fa tsy ara-dalàna, tsy misy taratasy ary tsy azo aondrana ny entana sasany dia avela miditra anaty fiaramanidina sy sambo ihany. Sahy mitondra entana voarara ireo mpanao trafika satria efa fantany fa misy lehibe afaka miaro azy rehefa tratra izy na mametraka kely dia tafavoaka ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT