Actualités

Mirongatra ny Ambalavelona Aiza ny fanjakana ?


  • Alarobia 24 Febroary 2016

Rakotra an’ity aretina ambalavelona ity i Madagasikara. Mila ho isan’andro no ahitana an-gazety na ahenoana amin’ny haino aman-jery trangan’aretina vaovao

 

. Tsy misy tsy ahenoana trangana ambalavelona eto amin’ny Nosy. Faritra 14 no voaporofo fa tena misy ambalavelona, hoy ry zareo ao amin’ny FFKM. An’arivony no voa. Ny ankizivavy no tena lasibatra. Misy ihany ny lahikely fa vitsy an’isa. Tsy mandefa ny zanany any am-pianarana no fepetra raisin’ireo ray aman-dreniny mba tsy hifindran’ity aretina ity. Ny voa moa dia efa tapaka fianarana ho azy. Misy koa ny toeram-pianarana no mampiato ny fampianarana ao aminy aloha mandra-pilamindamin’ny toe-draharaha taorian’ny fisian’ny tranga iray na maromaro indray miseho. Fa ny mahazendana ao anatin’izany rehetra izany dia ny fahanginan’ny minisiteran’ny fahasalamana, eny ny governemanta Ravelonarivo manontolo mihitsy. Mijaly ny ankizy, ary Malagasy ireo. Ny Fiangonana izao no vaky loha, mitady vahaolana, hanao fotoam-pivavahana eny amin’ny FJKM Andrainarivo raha ny amin’ity anio ity fa ny Fanjakana toa mangatsiatsiaka. Sa tsy problemany ny ambalavelona fa resaka fanahy (ratsy) ? Tsy raharahaina fa « valanaretina » tsy ahazoana fanampiana ara-bola avy any ivelany ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT