Hampihetsehana ny fikambanana A.MA.MI na ny Antenimierandoholona MAmpihatra ny Miralenta dia nanome fiofanana ho an’ireo Loholona vehivavy miisa 13 eto amintsika tetsy Antaninarenina, ny eo anivon’ny EISA, ivontoeram-pampiofanana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amintsika omaly.
Tanjona fototra ny hivelaran’ny sehatra ahafahana mampihatra ny resaka miralenta eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Mifandraika amin’io tanjona io ny sata mifehy ny fikambanana ary nifantoka tamin’izany ihany koa ny vontoatin’ny fampiofanana teny an-toerana. Ny lafiny politika, ny toekarena, ny sosialy sy izay rehetra mety hifandraika amin’ny raharaham-pirenena dia tokony hifarimbonan’ny lahy sy ny vavy avokoa, raha ny fanazavan’ny filohan’ny A.MA.MI, ny Loholona Razafitombo Elisa.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.