An-dalana ny fiketrehana ny volavolan-dalŕna momba ny miralenta sy fitovian’ny lahy sy vavy amin’ny toerana fanapahan-kevitra eto Madagasikara
Ny firenena Malagasy izay tena lavitry ny tanjona nifanarahan’izao tontolo izao amin’ny fanatrarana ilay salan’isa 50% amin’ny taona 2015. 30 monja, ohatra, no vehivavy solombavambahoakan’i Madagasikara amin’ny 151 mandrafitra ny Antenimieram-pirenena. Nandritra ny fijerena ny trangan-javatra misy eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy tamin’ny taona 2010 niaraka tamin’ny fifanarahan’ny Sadc mikasika ny miralenta no nivoahan’ny torolalana avy amin’ny Filankevitry ny Zon’olombelona ny amin’ny tokony handrafetan’ny minisiteran’ny Fitsarana ny volavolan-dalàna fampitoviana ny lahy sy vavy eo amin’ny toerana fandraisana fanapahan-kevitra. Efa vita tamin’ity fiandohan’ny volana oktobra 2014 ity ny dingana fanangonan-kevitra nandraisan’ny Biraon’ny kaomisera ambonin’ny Zon’olombelona, ny Filankevi-pirenen’ny vehivavy eto Madagasikara, ny minisiteran’ny Fitsarana, ny fiarahamonim-pirenena miaraka amin’ny fanampian’ny Tetikasa tohana ho an’ny dingana ara-pifidianana eto Madagasikara. Teny nomen’ny Pacem rahateo ny hankatoavana ny paikadim-pirenena momba ny miralenta sy fifidianana mialoha ny faran’ny taona 2014. Fitaovana mahomby ho fanampiana ny vehivavy Malagasy hirotsaka an-tsehatra ara-politika amin’ny alalan’ny fifidianana no antom-pisian’ity paikady nasionaly ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.