Ny ministeran` ny fitsarana dia miezaka hatrany mametraka fanamby handresena ireo laza ratsy mihatra amin` ny Fitsarana.
Nomena marim-pakasitrahana manokana ireo sampam-pitsarana mendrika amin` ny fomba fiasa manerana ny nosy ka miisa 4 ireo sampana voafidy notolorana izany mari-pankasitrahana tao amin` ny Fitsarana an-tampony ny sabotsy lasa teo. Ny fitsarana mpandrava didy any Fianarantsoa, ny fitsarana ambaratonga voalohany any Mahajanga, ny fitsarana miady amin` ny fanjakana ao Mahajanga ihany ary ny fitsarana momba ny vola any Toamasina no nahazo mari-pankasitrahana amin` ny fomba fitantanana mendrika eo anivon` ny Fitsarana. Ny fomba fiasa eo anivon` ny fitsarana, ny fametrahana ny fanavaozana mifandraika amin` ny ady amin` ny kolikoly, ny fahitsiana amin` ny fanatanterahana ny asa no isan` ny fepetra tao anatin` izany fifaninana izany. Tanjona dia ny hanome fahavitrihana kokoa amin` ny fanatsarana ny tontolon` ny fitsarana. Lazaina fa misy mpitsara miangatra sy mitanila, ny filazana fa ny mpitsara no mahatonga ireny fitsaram-bahoaka ka efa betsaka ny fepetra no raisina ary efa misy nosaziana. Komity manokana izay nahitana vaomiera manokana momba ny fahitsiana (CSI), ny solontena avy amin` ny fitsarana, no nanao ny fitsirihana ka nitsongaina ireo sampam-pitsarana voahosotra ho mendrika amin` ny fomba fiasa. Tao anatin` ny fiaraha-miasa amin` ny PNUD no nanatanterahina ny fifaninanana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.