Namboly hazo teny Andranovelona omaly ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny vola sy ny teti-bola notarihin’ny Ministra Rakotoarimanana Gervais. Tafiditra indrindra ao anatin’ny asa tanterahin’ny olom-pirenena amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no nanatontosan’izy ireo izay marihina fa efa andiany faha-15 notanterahina tao amin’ity faritra iray ity.
Hazo manodidina ny 5000 isa no novolen’izy ireo tamin’izany ahitana zana-kazo fihinam-boa toy ny zavoka, ny kaki, ny paoma golden… Toraka izany koa ny zana-kazo Eucalyptus miisa 2000 fototra, ary ny acacias 2265 fototra. Tsy adinon’ny ministra nandritra izany ny nampahatsiahy ny rehetra ny maha-zavadehibe ny fambolen-kazo tahaka izao amin’ny lafiny tontolo iainana hahafahana mampandroso ny firenena. Anjarantsika hoy izy ny miaro azy ireny raha toraka izany koa ny fanentanana ny hafa mba handray anjara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.