Efa miroso amin`ny fandaminana ny amin`ny fampodiana an`ireo mpiasa eo anivon`ny kaonsila (consulat) sy masoivoho any ivelany ny eo anivon`ny ministeran`ny rahraham-bahiny amin`izao fotoana izao.
Manaraka ny laharapahamena sy andraikitra ary ny toerana banga atao rehefa tsy afaka miasa intsony noho ny fahataperan`ny fe-potoana hiasàna amin`ny maha mpiasam-panjakana na fanafoanana ny fifanarahana arak`asa noho ny fahazoan-dalana mipetraka ao amin`ny firenena ipetrahan`ny mpiasa panjakana. Momba ny fampodiana mpiasan’ny Masoivoho indray dia manaraka ny lalànan ’ny fifandimbiasan-toerana ny Minisitera. Mazava loatra ihany koa fa rehefa tonga ny fotoana hisotroana ronono dia miverina an-tanindrazana izy ireo ankoatr’ireo mihoa-pefy na mandika lalàna. Tsara ho fantatra fa miandry ny sonian’ny tompon’andraikim-panjakana isan’ambaratongany ny Minisiteran’ny raharaham- bahiny vao afaka mandefa fampandrenesana ireo mpiasa am-podiana. Mba ialana amin’ny olana eo amin’ny fahatapahan- karama alohan’ny fampodiana ilay olona dia nandray fepetra ny MAE ka enim-bolana alohan’ny andehanan’ny mpiasa iray hisotro ronono dia angatahina any amin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola (MFB) ny “document de rapatriement”. Nitondra fanamarihana mahakasika izay ny teo anivon`ny Ministeran`ny rahraham-bahiny mba hanazavana amin`ny besinimaro fa fampodiana sy fandefasana an`ireo mpiasam-panjakana any amin`ireo masoivoho sy consul an`I Madagasikara dia raharaha ara-teknika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.