Actualités

Ministeran` ny fitsarana Hanadio sy hanatsara ireo fonja


  • Zoma 20 Martsa 2020

Telo herinandro lasa izay dia nisy ny fihaonan` ny ministry ny fitsarana tamin` ny mpandraharahan` ny fonja tetsy Antanimora.

 

 

 

Tanjona dia ny hantsaràna amin` ny fomba fiasa sy ny ady amin` ny kolikoly. Eo ihany koa ny hanaovana ny hoe “humanisation de la détention et respect des droits de l`homme et désengorgement des prisons» ; na fanajana ny zon’olombelona sy fanalalahana ny fonja. Ho fanamafisana izany rehetra izany dia nisy ny fivorian’ny filan-kevitra ambonin’ny fandraharahana ny fonja (Conseil Supérieur de l’Administration Pénitentiaire CSAP) ny 17 martsa sy ny 18 martsa lasa teo. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy sy ny nanome voninahitra ny fotoam-pivoriana ny filoham-boninahitry ny CSAP, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Jhonny Richard Andriamahefarivo. Io rafitra io no misahana ny famindran-toerana sy ny fanendrena ireo tomponandraikitra tokony hipetraka amin` ireny sampandraharaha ireny. Ny tale jeneralin` ny fandraharahan` ny fonja, Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary , izay filoha lefitry ny CSAP, dia nanazava fa hisy ny fanavaozana ireo rija-tenin-dalàna mifehy ny asan’ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara. Marihina fa fotoana iray hahafahan’ireo mpikambana ao anatiny ny mandinika ny fivoaran’ny asan’ny mpandraharaha ny fonja iray; ao ihany koa no hijerevena akaiky ireo fanatsarana tokony hoentina amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

Hijery ny tohiny
FTT