Mbola tena tsizaizary ny fiahiana ara-pahasalamana eto Madagasikara, zaza latsaky ny 5 taona 120 isan’andro na 44 000 isan-taona no mamoy ny ainy noho ny aretina tsy voatsabo araka ny tarehimarika navoaky ny Unicef tamin’ny 2014 ary renim-pianakaviana 3000 no maty isan-taona noho ny fahasarotana eo am-piterahana
.Mbola tena ambony ihany koa ny taham-pahafatesana noho ny aretina hafa tahakany tazomoka sy ny aretin-kibo .
Tsy afaka mitsabo tena ara-dalàna ny 85% n’ny malagasy noho ny tsy fahafantarana sy ny tsy fananana ny ho enti-manana (vola) ary ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana, tena marefo ny resa-pitsaboana eto hany ka tsizarizary ny fahasalaman’ny mponina.Tsara ho fantatra anefa fa 300 miliara ariary isan-taona no tetibolan’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, izany hoe 15 000 ariary isan’olona raha heverina fa 20 tapitrisa ny Malagasy.Tsy misy afa-tsy ny 2% n’io tetibola io ihany no miparitaka any amin’ireo toeam-pitsaboana manerana ny nosy fa ny 98% dia lany ain’ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny foibe.Fantatry ny rehetra tsara ny fahasahiranana sy ny vola tsy maintsy efaina amin’ireo hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra : tsy misy fanafody, tsy ampy ny oxygène, tsy ampy ny paosin-dra, vidiana hatramin’ny fitaovana faran’izay madinika hanaovana “pensement” .Lasa fomba fiteny mihitsy aza ny hoe : “tonga dia maty raha vao tsy manam-bola no miditra eny amin’ny hopitaly”.Mitovy amin’izany ihany no misy any amin’ny faritra; lasa seho ivelany mamiratra rehefa fitokanana na andro fety fotsiny ireo hopitaly nambara fa manara-penitra fa amin’ny andavanandro dia babangoana: tsy misy mpitsabo, tsy misy fanafody, ary rehefa mba misy aza dia sandaina vola be harany, izay tsy takatry ny vahoaka mihitsy.Mipetraka eto ny fanontaniana:rahoviana vao ho tonga saina ny mpitondra fanjakana ka tena hijery marina ny mahasoa ny vahoaka fa tsy variana amin’ny resaka ambony latabatra sy ny filibana amina fitaovana raitra handaniana vola be isan’andro ? Kabary sy fampanantenana no betsaka fa ny asa mivaingana aotra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.