Nandritra ny fananganan-tsaina voalohany tamin'ity taona 2020 ity teny Anosy, omaly maraina no niarahaba sy nirary soa ny fianakaviam-ben'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa Minisitra Lalatiana
Andriatongarivo.Tsy nisy ny fety sy lanonana ho fanajana ny toromarika napetraky ny fitondram-panjakana noho ny politikan’ny fitsitsianaNandritra izany teny fohy fiarahabana izany no mbola nanamafisan’ny minisitra ny lalan-tsaina nentina namakivaky ny taona 2019 ka mitohy amin'izao taona 2020 vaovao izao dia ny fanovana sy ny fiovana. "Fotoanan'ny fanovana izao" hoy Ramatoa Minisitra, Fanovana ny toe-tsaina, fanovana ny zavatra heverina ho "fomba fanao mahazatra" hiverina amin'ny tena tokony ho izy. Tafiditra ao anatin'izany fanovana sy fiovana izany hoy izy ny famerenana ny "discipline" na fitsipi-pifehezana, ny famerenana ny lanjan'ny asa sy ny ezaka, ny famerenana ny lanjan'ny asa izay hanakaraman'ny vahoaka antsika miasa ho an'ny fanjakana nisafidy ny hanompo ny vahoaka, ny famerenana ny fanajana ny lalàna amin'ny fomba fiasa sy ny fotoana hiasana sy ny fanajana ny asa atao.Tsy takon’afenina fa tena mampikolay sy mampitaraina olona tokoa ny fomba fiasan’ny mpiasam-panjakana, maro ireo tsy hita anaty birao amin’ny ora fiasana.Misy ireo tsy menatra mitaky vola tsotra izao vao manao taratasy.Mba andrasana ihany koa ny fampitsaharana ny resa-pianakaviana sy akamakama any anaty ministera satria izay tonga dia maika hampiditra ny havany, hany ka indraindray tsy fahaizana no hahazoana toerana fa fahafantaran’olona.Mila fiovana sy fanovana marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.