Actualités

Minisitry ny fizahantany Mpizahatany 500 000 amin’ny taona 2020


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Maro ireo fomba hisarihana mpizahatany ho avy eto Madagasikara. Anisan’izany ny fahatongavan’ny sambo lehibe na « paquebot ».

 

 

Mandalo any amin’ny faritra Atsinanana amin’izao fotoana ny sambo lehibe iray miaraka amina mpizahatany maro. Nanamafy ny minisitry ny fizahantany, ny fitaterana ary ny famantarana ny toetry ny andro, Joel Randriamandranto fa manambara fahatokisana ny tolotra omen’ny Malagasy eo amin’ny sehatry ny tontolon’ny fizahantany ny fahatongavan’ity sambo lehibe ity. Manana lanjany manokana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny fizahantany. Mpizahatany 300 000 mahery no tonga nitsidika teto amintsika ary fanamby apetraky ny fanjakana ny hampiakatra izany hatrany. Tanjona kendrena amin’ny taona 2020 ny hanatrarana azy ho 500 000. Ezaka goavana kosa no andrasana amin’ireo mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ireo tolotra samihafa hita ho mahomby eto amintsika.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT